Hotontosaina ny alahady ho avy izao, any Fianarantsoa, ny fanadinana hiakarana ambaratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Tsy miova ny fepetra, hoy ny tale teknikan’ny Federasiona, fa tsy maintsy manana taratasim-pilalaovana avy amin’ny FMTKD sy fehikibo mena, barety roa na mihoatra ny mpandray anjara rehetra.
Hatao ny 29 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra. Tsiahivina fa tokony hatao ny volana desambra ho avy io ity fifaninanana nasionaly ity, saingy noho ny fangatahan’ireo klioba dia naroso izany.
Hotanterahina rahampitso ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’ny sokajy zandriny, U14 sy U15, taranja volley-ball. Tsara marihina fa tokony hisy ny sokajy lehilahy saingy tsy nahafeno ny fetrisa amin’ny fifaninanana dia voatery naaton’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball. Miisa folo ireo ekipa hifanintsana, amin’ny sokajy vehivavy.
Hotontosaina ny alatsinainy ho avy izao, any Hard Rock Stadium Etazonia, ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Amerika “Copa America 2024”. Hiady ny amboara amin’izany i Argentine, tompondaka farany, sy i Colombie. Tsiahivina fa i Colombie nanintsana an’i Uruguay, 1 no ho 0, nandritra ny manasa-dalana.