Trophées du Jeune Entrepreneur 2024 : norombahin’i Randja Ranaivozanany

Nampahafantarina tetsy amin’ny Gare Soarano, ny alakamisy teo, ireo mpandraharaha mendrika sy nandrombaka ny amboara «Trophées du Jeune Entrepreneur (TJE)», andiany 2024, hetsika izay karakarain’ny BNI Madagas­car.
Miisa efatra ireo tanora mpandraharaha nandresy lahatra ny mpitsara. Norom­bahin-dRanaivozanany Randja, mpitantanana ny orinasa FOODMARK, toeram-pisakafoanana, ny TJE Croissance + raha voatondro ho Startup TJE kosa i Tsisatrana Landry, mpitantana sady tompon’ny orinasa Cycle Co. Tetikasa vaovao miompana amin’ny fanamboarana cyclopousse mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voatondro ho Coup de cœur TJE Croissan­ce+ Rabetsaroana Soamiada­na tamin’ny tetikasa fananganana vovonana (plateforme en ligne) handika an-tsary ireo lalàna velona ho azon’ny besinimaro. Nahazo ny Coup de cœur Startup TJE Rakoton­drai­nibe Hery Andrianina, tamin’ny alalan’ny tetikasa Équipe.mg. Ity farany izay tambajotra sosialy voalohany hampiroboroboana ny literatiora malagasy.

Tohana

20 taona nanohanana ny tanora mpandraharaha ny BNI Madagascar. Nahatratra 100 tapitrisa Ar ny fampidramam-bola tsy misy zana-bola ho an’ny TJE Croissance +, ary 50 tapitrisa Ar ho an’ny Startup TJE. Nanome tolotra Connexion internet 27Go mandritra ny enim-bolana ho an’ny Coup de cœur TJE Croissance+ ny Telma, sy Coaching iarahana amin’ny Nexta ary 27Go mandritra ny telo volana ho an’ny coup de cœur Startup TJE.

Henintsoa Hani

Partager sur: