Hita faty tao anatin’ny fiarany teny Bel’air Talatamaty ny raim-pianakaviana iray 38 taona, ny 1 jona teo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an-drangahy ny ramatoa vadiny ka notanana am-ponja.
Voasaringotra amin’ny raharaha nahafaty am-badiny izay hita faty nisy namono tao anatin’ny fiarany teny Talatamaty, ny 1 jona teo, ny ramatoa vadiny. Manan-janaka roa izy mivady ireo. Nisy nanome fanafody fampatoriana ilay lehilahy ary nokendaina tamin’ny tendany. Hita faty tao anatin’ny fiarany izy tamin’io andro voalaza io. Tsy fantatra mazava tamin’izay ny anton’ny tranga ka niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny zandary. Nosamborina natao fanadihadiana ny vadin’ilay lasibatra. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa tompon’antoka tamin’ny famonoana io vadiny io ilay ramatoa. Nokendaina tamin’ny tady io lehilahy io, araka ny fanamafisan’ny fianakaviany. Voarakitra tao anatin’ny horonampeo avokoa ny tranga niseho nandritra ny famonoana.
Mampiahiahy
Hita faty ny volana desambra 2023 lasa teo koa ny rahalahin’io lehilahy izay namoy ny ainy io. Nisy namono koa io rahalahiny io. Manahy ny fianakavian’izy mirahalahy ireo fa tompon’antoka tamin’ny famonoana azy ireo ilay ramatoa izay efa voasambotra amin’izao fotoana io. “Efa nahafantatra ny fampirafesana nataon’ilay vehivavy vadin’ny rahalahiny izy ka antony nahatonga azy novonoina”, hoy ny fianakavian’ny lasibatra. Misy hifandraisany tanteraka, araka izany, ny nahafaty io lehilahy io sy ny rahalahiny enim-bolana lasa, hoy ny havany. Manaraka akaiky ny raharaha eny anivon’ny fitsarana amin’izao fotoana ny fianakavian’ireo roa lahy hita faty ireo. Andrasan’izy ireo ny hisian’ny fangaraharahan’ny fitsarana ny raharaha.
Tsiferana R.