Vovonana manokana ahitana ny vaovao mahakasika ny lafiny ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny CommCare.
Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fisian’ny vovonana antsoina hoe CommCare. Natao hanampiana sy hanamora ny fanangonam-baovao sy fanaovan’ny mpiantsehatra eny ifotony ny tatitra mahakasika ny sehatra ara-pahasalamana. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka eo anivon’ny USAID amin’ny alalan’ny fandaharanasa antsoina hoe ACCESS nahafahana nanao izany. Natao hanamorana ny fanangonam-baovao eny anivon’ny sehatra ifotony. “Manamora tanteraka ny fanaovana tatitra izy io, anisan’ny mahafaly ihany koa fa efa tafafindra eny anivon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka 100% ny fikirakirana azy io”, hoy ny Dr Rabenamanjara Rija, directeur des études de la planification et de système d’information eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hanatsara ny fikarakarana ara-pahasalamana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpiasan’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Mba hanaraka ny lamina mandritra ny fikirakirana sy fanangonam-baovao momba ny fahasalamam-bahoaka.
Application atao amin’ny finday
Ampiasaina anatin’ny finday avo lenta io vovonana io. “Tonga dia tafita any anivon’ny rehetra amin’ny sehatra nasionaly ny tatitra ataon’ireo mpiantsehatra eny ifotony ireo amin’ny alalan’io”, hoy hatrany izy. Ahitana sy manampy ireo mpiantsehatra eny ifotony amin’ny fitsirihana sy fitsaboana ny aretina mpahazo ny zaza, toy ny aretin-kibo… izy io. Ahafahana manome tolotra mahakasika ny fandrindram-piterahana azo antoka ho an’ny mpivady. Hiantohana ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy bevohoka sy ny zaza marary mafy ihany koa. Vovonana ampiasan’ireo mpiantsehatra eny ifotony izay nahazo alalana manerana an’i Madagasikara izy io. 50 teo ireo voasafidy nampiasa izany tamin’ny fiandohan’ny tetikasa. Manodidina ny 4300 ireo mpiantsehatra eny ifotony mampiasa izany amin’izao fotoana izao.
Tsy mitovy amin’ny application alaina any amin’ny internet izy io fa miavaka satria ahitana ny angom-baovao rehetra momba ny fahasalamana manerana an’i Madagasikara.
Mino