“Amin’ny maha mpanao politika ny tena, indrindra hoe nofidin’ny vahoaka : metimety kokoa, angamba, raha hajaina sy lanjaina ny samboady, satria fitokisana nomen’ny vahoaka ny tena”, Io no nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Andriamananoro Razafinarivo Augustin, izay voafidy ho solombavambahoaka ao amin’ ny boriborintany Antananarivo I tamin’ny anaran’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Izy izay sady voafidy ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antananarivo, ny amin’ny tsy hiverenany ho minisitra intsony. Fanoloran-tena izany ary heverina fa mbola manana adidy izy amin’ny boriborintany I nahavoafidy azy. Aminy, raisiny amim-pitiavana sy amim-panetren-tena izany adidy hitondra ny feon’ny vahoaka hoe solombavambahoakan’i Madagasikara izany. Ny fanjakana no mijoro dia noho ny vahoaka. Ny Lapan’ny Antenimierampirenena no fototra sy rindrina mampijoro izany andrimpanjakana izany. Tsy hoe ratsy akory ny miditra ho mpikamban’ny governemanta, fa heveriny hoe tafo izany. Raha ny fototra sy ny rindrina no tsy mijoro tsara na marefo, fantatra ny tohiny… “Ny nifidianan’ny vahoaka ahy dia ho solontenany sy hitondra ny feon’ny ao amin’ny boriborin-tany I. Tsapako fa fitokisana sy adidy lehibe izany”, hoy izy. Tsy omena olon-kafa izany, fa voninahitra lehibe napetraka amin’ny tena.
R. Nd.