Misavoritaka indray ny tontolon’ny fanatanjahantena mialoha ny hiatrehana ny lalao Olympika tanterahina any Paris France, afaka 11 andro. Toy ny mahazatra rehefa misy fivoahana, tsy milamin-tsaina mihitsy ny atleta. Rehefa tsy mitebiteby noho ny saran-dalana, mitaintaina amin’ny tsy fahampiana. Izao indray mitakokokoko fa novaina ny mpanazatra efa nanomana azy hatramin’izay. Novain’ny raiamandreny mpitantana tamin’ny ora farany izany. Tsy mahagaga fa eto Madagasikara no miseho ny tantara. Tantara efa mahazatra ka tsy maharototra ny mpanara-baovao intsony. Toy ny kitapo afak’entana ka tsy tsaroan’ny olona intsony ny mpanazatra rehefa hisidina ho any ivelany.
Mandongilongy izay jerena. Maizina atoandro ny tontolo toy ny misy fahoriana. Ny raiamandreny anefa tsy adala ka tsy hahalala izay hahasoa an-janany fa misy ny fandaminana. Voabedy ny zanaka tsy manoa teny, nahitsy izay rehetra tsy nandeha tamin’ny lala-mahitsy. Ny hisavorovoroana tokoa hilantoana. Niravona ny raharaha ka hita ihany ny vahaolana. Koa aza atao kitapo afak’entana ka tsy tsaroan’ny olona
intsony, izay nanabe fa izy ireny no mahafantatra amin’ny antsipiriany ny mety sy tsy mety amin’ny atletany.
Ilaina hatrany ny mifampidinika fa ny teny hifamaliana mahatsara fihavanana. Na inona kosa aloha alahelo sy hatezerana, tsy fanao ny manasa ny lamba maloto imason’ny olona. Zava-dehibe ny fifanantonana satria zanaka sy raiamandreny. Tsy atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy intsony fa atao fitia tantely ka mamy foana ao am-bava. Aleo volan’imaso tsy mba kilema ary tsy fanaon’ny mpanao fanatanjahantena ny mandefona ivoho. Koa aza atao toy ny kitapo afak’entana ary ê !
Tompondaka