Fanokafana ny “JO-2024”: hitondra ny sainam-pirenena malagasy i Rosinah

Nambaran-dRandriama­narivo Harinelina, sekretera jeneralin’ny Komity olympika malagasy (Com), tamin’ny mpanao gazety teny Alarobia, ny sabotsy lasa teo, fa Ran­dafiarison Rosinah, no hitondra ny sainam-pirenena mala­gasy, mandritra ny filaharan’ ireo firenena mandray anjara amin’ny fanombohan’ny lalao Olympika 2024, hatao any Paris France, ny 26 jolay ho avy izao. Nomarihin’ity tomponandraikitry ny Com ity fa araka ny lalàna mifehy ny atleta olympika, izay atleta voalo­hany tafita no misitraka izany. Mpibata fonjamby i Rosinah, laharana voalohany aty Afrika amin’ny sokajin-danja -49 kg ary faha-21 maneran-tany. Ho fanomanana ity lalao Olym­pika ity, niainga ny zoma lasa teo, ny tenany namonjy ny “camp d’entrainement” any Besançon. Hamonjy ny delegasiona malagasy izy ny 25 jolay. Saika manoman-tena ao Besançon avokoa ireo mpi­bata fonjamby afrikanina. Tsia­hivina fa hanomboka ny
7 aogositra 2024 ny fifaninanana ho an’ny fibatana fonjamby ao Arena, atsimon’i Paris.

Tompondaka

Partager sur: