Mahaliana ny tanora sy ny ankizy malagasy ny kolontsaina vahiny, anisan’izany ny an-dry zareo koreanina. Naseho tamin’ny alalan’ny dihy sy ny hira izany nandritra ny fifaninanana “K-pop World Festival”.
Tontosa tetsy amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy teo, ny fifaninanana “dance cover” mahakasika ny “K-pop World Festival”. Fifaninanana iraisam-pirenena andiany fahafito, nokarakain’ ny KBS any Corée, hiaraha-miasa amin’ny ambasadin’ny koreanina eto Madagasikara. Ankizy, tanora tia sy mankafy ny kolontsaina koreanina avokoa ireo nandray anjara tamin’ izany. Nitrandraka izany ary tsy nijanona tamin’ny fianarana ny fiteny koreanina fotsiny fa lasa nianatra nihira sy nandihy ihany koa izy ireo. Nahitana sokajy telo ny mpandray anjara tamin’ity taona ity, ho an’ny teto amin’ny Nosy. Teo amin’ny dihy manokana, nahitana sokajim-behivavy sy lehilahy izany. Nisy kosa ny nanao “song cover”, izay nanaovana ny hira amin’ny fiteny koreanina. Anisan’ny notsaraina tamin’izany, ny fomba fihirana sy ny fandihizana, ny fihetsika, ny fitafy ary ny fitenenana…
Hiatrika ny grande finale any Corée
“Anisan’ny mahalasa lavitra ny fiezahana sy ny fitiavana rehefa natao tamin’ny fo”, hoy ny mpikarakara ny hetsika, Rakotonirina Andy. Manana vintana hiatrika ny famanarana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny taona 2024 any amin’ny firenena koreanina ireo nivoaka mpandresy. Alefa any amin’ny foiben’ny KBS ny horonantsarin’ireo rehetra nandresy. Anjaran’izy ireo ny misafidy sy mitsara izany. Handray anjara amin’ny fifaninanana ho tompondaka any amin’io firenena io kosa izay voasafidy amin’izany. Efa nisy ankizy roa nisolo tena ny Malagasy tany an-toerana, izay niatrika ny lalao famaranana. Ankizy mihira nanao “song cover”, ny tamin’ny taona 2017. Sokajy nandihy kosa ny tamin’ny taona 2019.
Mino