Horonantsary mahakasika ny ankizy any Atsimo : nasongadina ny fiainan’ny olona manoloana ny tsy fisian-drano

Maro ny tsy mahafantatra ny tena zava-misy marina iainan’ny mponina any amin’ny faritra Atsimo. Manampy betsaka sy hanairana ny sain’ny rehetra eto amin’ny firenena ny namokarana ny horonantsary mahakasika izany.

Nalefa tetsy amin’ny Havoria Anosy, ny sa­botsy teo, ny horonantsary manasongadina ny tontolom-piainan’ny ankizy any amin’ny faritra Atsimo. Namo­katra sy nanatanteraka izany ny avy amin’ny Unicef. Na­songadina manokana tamin’ny horonantsary, ny fiainan’ny olona tamin’ny mbola tsy misy fantsakana rano. Miaina anaty fahasahiranana ny mponina any, anisan’izany, ny tsy fa­hampian’ny rano. “Amin’ny ankapobeny, mandeha tongotra adiny efatra na dimy mandroso sy miverina ny ankizy izay vao mahazo rano. Tsy mbola madio akory ny rano azo amin’izany fa maloto”, hoy i Mirado, ambasadaorin’ny ankizy malagasy ao amin’ny Unicef.

Haparitaka amin’ny Oni­versite na fikambanana tsy miankina ny horonantsary ary hisy ny adihevitra manoloana izany. Alefa amin’ny fahitalavi-pirenena sy tsy miankina ihany koa izy io. Tanjona ny hahatongavan’ny hafatra any am-pototsofin’ny rehetra afaka manampy ny hafa sy ho an’ny tomponandraikitra afaka ma­napa-kevitra eto amin’ny firenena.
Manitsaka ny zon’ny ankizy rehetra ny zava-misy

“Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fiainana sy manitsaka tanteraka ny zon’ny ankizy any an-toerana izany zava-misy izany”, hoy hatrany i Mirado. Anisan’ny simba voalohany ny fanabeazana ireo zaza satria lany fotoana sy andro maka rano ka mihena ny fandehanana any an-tsekoly. Eo ihany koa ny fiantraikan’ny fisotroana rano maloto amin’ny fahasalamana. Andrasana ny fanampiana sy fanovana entin’ireo tomponandraikitra sy olona tonga saina eto amin’ny firenena manoloana ny olana tena iainan’ny olona any amin’ny faritra Atsimo.

Mino

Partager sur: