Karazan-javamananaina : fototry ny fampandrosoana lovainjafy

Antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra ny toekarena ny fiarovana ny karazan-javamananaina.

Anisan’ireo firenena na­nao sonia hampihatra ireo drafitra napetraka nandritra ny “Conférence des parties de la Convention sur la diversité biologique” (Cop15 de la CDB), i Madagasikara. Drafitra hiarovana sy hamerenana amin’ny laoniny ny karazan-javamanaina ho an’ny telopolo taona manaraka. Fo­totry ny fampandrosoana lo­vainjafy ny fiarovana azy ireny, noho izy miantoka ny fiveloman’ny olombelona. Araka izany, anisan’ireo sehatra telo mandrafitra ny karazan-javamananaina ny tontolon’ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny harena an-kibon’ny tany. Nitondra ny anjara birikiny teo anivon’ny mpisehatra samihafa i Madagasikara nandritra ny tetikasa karazan-javamananaina sy fampandrosoana lovainjafy (Biodev) 2030 izay nanomboka ny taona 2020. Mbola hitohy ny hetsika amin’ny alalan’ny tetikasa Biodev 2030 andiany faharoa, hanamafisan’i Madagasikara ny fifanarahana Kunming-Mont­real izay hifantoka betsaka amin’ny jono makamba. Ken­drena manokana ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fitantanana maharitra

« Mahatratra 18,6 miliara dolara ny sandan’ny harena an-dranomasin’i Madagasi­kara », hoy ny minisitry ny Jo­no sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Fanamby lehibe, hoy izy, ny fahaiza-mitantana maharitra an’ireo harena voajanahary sy ny fitrandrahan’ny fiarahamonina izany. Ny taona 2023, mitentina hatrany amin’ny 91 miliara Ar ny fanondranana an’ireo vokatra makamba milanja 2 800 taonina izay nataontsika. Ankehitriny, mitobaka ireo mpisehatra ka sahirana ireo mpanjono, antony maha zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpisehatra handrindrana ny seha-pihariana.

Henintsoa Hani

Partager sur: