Lalao Olympika (JO 2024): Miankina amin’ny CIO ny fandeha­nan’ny mpanazatran’i Laura

Nahitana vahaolana tamin’ny ora farany ny amin’ ny Me Mamy, mpanazatran’i Laura Rasoanaivo,
eo amin’ny fiatrehana ny lalao Olympika, hanomboka afaka 2 herinandro any Paris. Handeha izy saingy miandry ny CIO, raha hahazo fankatoa­vana na tsia.

Nivadika ho fivoriambe tsy ara-potoanan’ny Komity olympika malagasy (Com) tampoka, ny sabotsy lasa teo, teny Alarobia, ny lanonana tokony hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ireo atleta handeha hiatrika ny lalao Olympika (JO 2024), hatao any Frantsa, ny 26 jolay ho avy izao. Niteraka savorovoro teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, indrindra ny taranja judo manokana, ny fanambarana navoakan’i Laura Rasoanaivo, tao amin’ny tambajotran-tserasera ny amin’ny nanoloana ny Me Mamy Andriamasinoro, mpanazatrany ho olon-kafa.
Niteraka fahasorenana ho an’ny filohan’ny Com, Ran­drianasoloniaiko Siteny, izany ka voatery nampivory maika ireo taranja olympika rehetra ny tenany. Taorian’ny adim-pamantaranandro 10, voavaha ny olana ka omena ny Me Mamy ny “accréditation” an’ny filohan’ny federasiona mala­gasin’ ny Judo, i Said Eric Bruno. Fanapahan-kevitra niraisan’ny talen’ny kabinetra sy ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena ary ny Com. Hotanterahina any Paris, eo anatrehan’ny komity iraisam-pirenena olympika (CIO), ny taratasy amin’izany fifamindrana eo amin’ny roa tonta izany. “Hiankina amin’ny CIO izany ny fankatoavana na tsia izany fa tsy misy idiran’ny Com intsony”, araka ny nambaran’ny filoha Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny mpanao gazety.
Tsy nitovy ny an’ny minisitra sy ny Com

Raha tsiahivina, efa namoaka ny anaran’ireo atleta sy ny mpanazatra miaraka aminy, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatan­jahantena Mahamasina ny minisitra Ramonjavelo Valery, ny alakamisy lasa teo, saingy tsy nitovy tamin’izany ny teo anivon’ny Com. Teo no nisian’ny tsy fifankahazoana ka niteraka ilay olana ho an’i Laura sy ny eo anivon’ny komity olympika malagasy.
Tsiahivina fa tsy tazana nanatrika ity fivoriana teny Alarobia ity ny avy ao amin’ ny Federasiona malagasin’ny taekwondo sy ny karate ary ny baolina kitra. Namba­ran’ny mpitantana avy eo anivon’ny taekwondo fa tsy anisan’ny nahazo fanasana ry zareo, ka izany no tsy nahitana azy ireo teny an-toerana.

Tompondaka

Partager sur: