Naseho tetsy amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, omaly ny fampisehoana mozika klasika hatramin’ny jazz. Amin’ny alalan’ny fitsofana saxophone. Hetsika andiany faha-15, karakarain’ny Madagascar Mozarteum, nampisongadina ny LMM Saxophone Quartet. Fianakaviana malaza amin’ny fampisehoana mavitrika sy ny fahaizany mampifangaro ny mozika samihafa, manomboka amin’ ny klasika hatramin’ny jazz izy ireo. Nentin’ireo tanora malagasy efatra mianadahy mivondrona ao anatin’ny LMM Saxophone Quartet. Lohatenin’ny mozika nolalaovina tamin’izany ny “Bandonéon” na hoe taralila. Ny fampisehoana ny fahaiza-milalao izany, ny tena anisan’ny nampiavaka ny seho tamin’io fotoana io. Nizara ny traikefa amin’ny fanaovana sy filalaovana mozika miavaka azo nalaina tamin’ ireo sanganasa lehibe nataon’i Astor Piazzolla, mpamoron-kira avy any Argentine.
Anisan’ny heno teny an-toerana ny “Yo soy Maria”, “Adios Nonino”, “Close your eyes and listen », “Muerta del Angel”, « Libertango », « Escualo » ary ny « Oblivion”.
Mino