Nampivarahontsana! Lohan-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty harona plastika tao amin’ny fokontany Ambohiponana, kaominina Ambositra, omaly. Ankizy nanasa lamba teo amoron-drano no nahatsikaritra fonosona iray natsingevan’ny rano teo amin’ny 59 metatra miala amin’ny RN7. Nosokafan’izy ireo, nisy lohan’olona misy ra tao anatin’io fonosona io. Nitsoaka kiririoka, niantso ny tomponandraikitra hijery ny zava-misy ny mponina. Nanamarina ny zava-nisy ny polisy sy ny zandary niampy ny dokotera avy eo anivon’ny CSBII Vatovory. Voamarina nandritra ny fitiliana fa nisy namono tao anatin’ny 24 ora io lehilahy io. Nahitana ra ny faritry ny vavany. Niezaka nikaroka ny vatan’io olona hita faty io teny amin’ny manodidina ny mponina sy ny mpitandro filaminana saingy tsy nisy. Nentina napetraka ao amin’ny tranom-patin’ ny hopitaly CHRR Volafotsy, ny lohan’io lehilahy maty io.
Tsiferana R.