Tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona ny faran’ny herinandro teo. Tandrevaky ny mpamily sy noho ny fihonjonana ateraky ny vesatra tafahoatra no nahatonga ny loza. Am-polony ireo olona namoy ny ainy…
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona teny Soanierana, ny zoma alina teo. Fiara Peugeot 406 iray hihazo an’Ankadimbahoaka no nifatratra tamin’ny tamboho indroa miantoana mialoha ny nianjerany tamina fiara iray marika BMW teo alohany. Mafy ny fifandonana satria potika tanteraka ilay fiara P.406. Naratra mafy ny mpamily ka nentina haingana namonjy hopitaly. Araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza satria manaporofo izany rahateo ny tsindry avy amin’ny hisatra. Tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara ka nanidina avy hatrany.
Olona 11 indray maty tao anaty kamiaobe…
Fa olona 11 indray maty, raha fito hafa kosa naratra mafy, noho ny fivadihan’ny kamiaobe iray tamin’iny lalana mampitohy an’Antsalova sy Maintirano iny, tao amin’ny fokontany Bemonto, kaominina ambanivohitr’i Soahany, distrikan’Antsalova, omaly vao maraimbe. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ ny zandary, kamiaobe Tata iray avy naka vato tao amin’ny kariera Mangaroa, fokontany Anjiabe Antsalova, ity niharan-doza ity. Vato Agathe milanja dimy taonina no nentin’io kamiaobe io niaraka tamin’ny mpandeha maromaro. Handeha hihazo an’i Maintirano ity kamiaobe ity no nivadika tampoka rehefa niampita tetezana. Latsaka tao anaty lavaka ny kodiarana havanana ka antony iray nampivadika ny fiara. Vokany, voatsindrin’ny entana ireo olona 11 (vehivavy dimy ahitana zazakely, raha lehilahy kosa ny enina). Nalefa ao amin’ny CSB1 Bemonto ireo naratra raha natao ao amin’ny fokontany kosa ireo razana. Tonga teny an-toerana nanao ny asam-pamonjena sy namoaka ireo niharam-boina ny zandary. Tazonina ao amin’ny zandary ny mpamily.
J.C