Paositra malagasy: nisitraka fampitaovana ireo fakitera

An-tapitrisa isan-taona ny taratasy zarain’ny Paositra malagasy (Paoma) raha ana hetsiny kosa ireo entana tanteriny manerana ny Nosy. Nisy, araka izany, ny fampitaovana, toy ny moto, kitapo (sac porte-document et sac à dos) an’ireo faktera maherin’ny 200 eo anivon’ny Paoma tetsy Alarobia, ny zoma teo, hanatsarana ny fomba fiasa sy ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. « Vola madiodion’ny Paositra malagasy no nahazoana ireo fitaovana ireo », hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Paositra malagasy, Andria­nasolomampionona Désiré Joseph. Nambarany fa mbola hitohy manerana ny Nosy ny hetsika. Kendrena manokana ny hampakarana ny lentan’ny mpiasa sy hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa. Ho avy tsy ho ela rahateo, hoy izy, ny sambo hitatitra entana mankany ivelany izay hampiasain’ny Paoma hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra hatrany.

Fifaninanana
Manana ny anjara toerana lehibe eto amin’ny firenana ny Paositra malagasy amin’ny fananany ireo masoivoho marobe manerana an’i Madagasikara. Mivoatra manaraka ny toetrandro ihany koa ny tolotra omeny na eo aza ny firoboroboan’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana fa mbola tsy azo ialana ny fizarana taratasy indrindra any amin’ireo faritra saro-dalana. Ankehitriny, miomana amin’ny fiatrehana ny varotra ampitain-davitra ny Paoma manoloana ny sehatry ny fifaninanana.

Henintsoa H.

Partager sur: