Ankoatra ny fanapariahana ny kanto atao, mari-pandrefesana ampiasain’ny mpanakanto maro koa ny tambajotran-tserasera. Ao no hitsirihan’izy ireo ny « dokadoka » sy ny « dakadaka ». Raha betsaka ny doka, misora-tena fa tian’ny olona ilay mpanakanto. Hatramin’izao anefa, « tsy azo atao fangitra hiaingana hoenti-manapa-kevitra loatra ny tambajotran-tserasera », hoy ny mpandinika fiarahamonina. Mety mamitaka izy ireny!
Tsy ampy ny fialamboly! Tafiditra ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra lehibe ny ankamaroan’ny mpianatra, raha ho an’i Madagasikara manokana. Mipoitra tsikelikely manaraka izany ihany koa ny olana mianjady amin’ny ray aman-dreny. Tsy manana fialamboly ny zaza malagasy, hany ka tahaka ny very maina ny fananany io vanim-potoana fialantsasatra io. Sady tsy mampivelatra ny sainy, no tsy mampiala voly ny vatany.
“Fiverenan’ny vanim-potoana”. Hisy ny alim-pandihizana miavaka hamerenena ny tsiahy sy ny vanim-potoana taloha etsy amin’ny After work by Pass, ny 19 jolay izao. Hetsika karakarain’ny Colléctif 1225 initiatives. Tanjona ny hamerina ny zava-nisy tamin’ny taona 90 izay vanim-potoana volamena. Ahafahan’ny olona miverina amin’ny fiainany fahiny amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy ary ny fihainoana mozika nanamarika ny fahatanorany.
Herinandron’ny famakiam-boky. Hetsika hatao etsy amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT), ny 24 hatramin’ny 27 jolay izao. Hiara-miasa amin’ny Teach for Madagascar. Tanjona ny hanentana ny ankizy ho liana sy ho tia ny vaky boky. Ho hita eny an-toerana ihany koa ny vaky boky antsoina hoe « Diary Nofy ». Tsy hadino ihany koa ny karazana fanentanana sy lalao amin’ny endriny maro samihafa.