VAOVAO TAMBATRA

Hiara-hiasa ny APMF sy ny polisim-pirenena amin’ny fanotana « Pièce d’identité de Marin » (PIM) ho an’ireo tantsambo malagasy. Mahatratra 11 000 ireo tantsambo teratany malagasy ary miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ny 5 000 amin’ireo. Hanamafy ny fitokisan’ireo mpampiasa, ny mpampitao sy ny tompon-tsambo, ny fitokisan’ireo firenena hafa ny tantsambo malagasy mandalo amin’ny taniny sy ny fari-piadidiany ny fananany ny PIM.

Hihatra amin’ity volana ity ny vidin-tsolika tena izy. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fanitsiana ho an’ny vidin-tsolika, mba hampihenana ny elanelana misy eo amin’ny vidiny antonony eny amin’ny tobin-tsolika sy ny vidin-tsolika (PRC) kajian’ny Office malgache des Hydrocarbures. Na izany, tokony ho ferana ho 200 Ar isaky ny litatra ny fiakarana.

Hamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro 11 Megawatts ireo plaques solaires amina velarana 88 000m2 eny ambonin’ny tafon’ny zones industrielles nataon’ny Groupe Filatex. Marihina fa efa nanangana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro any amin’ny faritra ihany koa ny orinasa izay mamokatra herinaratra 50 MGW.

Manaja tanteraka ny tontolo iainana ny fambolena lomotra eto amintsika. Manodidina ny 3 000 taonina ny vokatra amin’izao fotoana izao, tanjona ny hampakarana izany ho 25 000 taonina maina, ho an’ny taona 2030. Ny lomotra izay anisan’ny miantoka ny fiveloman’ireo hazandrano isan-karazany.

Partager sur: