Vaovao voaova

 

Hisy fiovana amin’izay ny politika eny anivon’ny Antenimierampirenena? Lapan’ny demokrasia… Amin’izao, voagidragidra ireo depiote hoe tsy miankina. Ambetin-dresaka amin’izany ny hoe mamita-bahoaka: mahaleo tena no nifidianana azy ireo, fa tsy hoe hirona atsy na aroa. Mety hiovaova araka ny fitsokan’ny rivotra politika ny fironana? Na inona mitranga sy atao, misy mahita hotsikeraina hatrany: tsy mety raha tsy ny tena no eo amin’ny toerana sy manao azy? Fomba fiady politika izay. Mety, mahasoa, ahombiazana…
Na izany aza, tsy ilaozan’izay tsy manao afa-tsy ny manakorontana? Na fiteny aza ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana, misy tena mikatsaka izany ho amin’ny tombontsoa manokana. Fialokalofana sy fanamarinan-tena ny hoe politika io, fanehoan-kevitra, fanoherana… Tsy hita firy izay fiovana? Fiteny koa ny hoe izay miova no afa-kanova. Tsy tokony hanovana famindra ve, ohatra, ny fahazoan’ny tsy miankina vahana tamin’ny fifidianana depiote teo? Tsaraina hoe leo mpanao politika… Hanao ahoana izany raha hotohizina ihany ny gidragidra politika? Na hoe eny amin’ny Lapan’ny demokrasia aza: mila jerena amin’izay ny tena hahasoa ny vahoaka, fa izay no maha solom-bava…
Hisy amin’izay ny tena adihevitra hahatsara ny fiainam-bahoaka? Ady fiady fa izaka ny tsy eran’ny aina, ny tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Voaova vaovao ny Antenimierampirenena amin’izao? Na vaovao voaova… Mba tsy ho toy izay lasa izay. Efa manomboka miova ny vahoaka matoa nanome lanja sy vahana ny tsy miankina? Tsy mitondra inona raha tsy manova sy mampiova ny mpanao politika. Mety hahita na hahazo ny tsy ampoizina amin’ny fifidianana kaominaly? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: