Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus

Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF).

Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Ma­dagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray ny lalao mandroso izy ireo, raha hifanandrina amin’ny Lunda Sul Angola, ny volana aogositra ho avy izao. Fihaonana izay tafiditra amin’ny dingana voalohan’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfedera­siona afrikanina (CCAF).
Raha ny fantatra, hiantso mpilalao hanatevina azy ireo ity tompon’ny amboaran’i Ma­dagasikara 2024 ity. Anisan’ ny antsoina amin’izany i Rado, vodilaharan’ny AS Fa­na­lamanga. Araka ny fanazavan’ity mpampita vaovao ity, afaka mametraka mpilalao 37 isa ny klioba iray mifanintsana amin’ity amboaran’i Afrika ity, ary aterina ny zoma ho avy izao ny lisitra ofisialin’ny mpilalao mandrafitra ny ekipa iray.
Tsiahivina fa ekipa vao haingana ny Lunda Sul, ny taona 2020 teo no niforonany. Herintaona monja dia efa niatrika ny fifaninanam-pirenena tany an-toerana. Mitana ny laharana fahatelo izy ireo any Angola. Tsara marihina fa raha tafavoaka eo ny Elgeco dia hifanandrina amin’ny Sekhukhune Utd avy atsy Afrika Atsimo.

Maratra i Jean Yves

Mbola tsy tomombana tsara ny fahasalaman’i Jean Yves, lohalaharan’ny Elgeco Plus. Tsiahivina fa tapaka ny tanany nandritra ny lalao famaranan’ny “Telma Coupe 2024”, izay nihaonan’ny CFFA sy ny Elgeco, ny 7 jolay lasa teo, teny By-pass. Mitady mpilalao izay afaka hanolo ny toeran’i Jean Yves ny staff ao amin’ny Elgeco Plus mandra-pahasitran’ity Malagasy mpilalao ity.

Fitia Randria

Partager sur: