Bisikleta voafaokan’ny fiara : vehivavy bevohoka niara-maty tamin’ny vady aman-janany

Namoy ny ainy teo no ho eo ilay rangahy voadonan’ny fiara teny amin’ny RN1, teo Ambatonapoaka.
Tsy tana ny ain’ny vadiny bevohoka sy ny zanany kely rehefa nentina nihazo ny hopitaly.

Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana niloko mainty ny fiara mazda iray teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Am­batonapoaka, distrikan’Ari­voni­mamo, omaly maraina tamin’ny 11 ora sy fahefany. Nandeha mafy io fiara 4×4 io ka antony niteraka ny loza. “Nijanona tamin’ny sisin’arabe ilay mazda. Nisy fiara hafa nipoitra tampoka ka niala io fiara io ilay fiara 4×4. Nifatratra tamin’ny vodin’ilay mazda anefa ity farany”, araka ny fanazavana avy amin’ny polisy misahana ny fisavana sy ny fanaraha-maso eny amin’ny lalam-pirenena voalohany. Vehivavy bevohoka sy ny vadiny ary ny zanany iray nitaingina bisikileta anefa teo anelanelan’ireo fiara ireo. Vaodona mafy izy ireo ka nipitika teo afovoan’ny arabe. Mafy ny fifandonana ka lavo tamin’ny arabe ireo nitaingina bisikleta. Vaodona mafy teo amin’ny faritry ny andilany sy ny lamosiny ilay rangahy. Maty teo no ho eo izy raha toa ka tsy nahatsiaro tena ilay vadiny sy ny zanany.

Handeha hisafo
Handeha hizaha fahasalamana, hanao fisafoana eny amin’ny mpitsabo no nialan’ io renim-pianakaviana io sy ny vadiny ary ny zanany tany an-tranony. Hamonjy ny CSBI Masikamalona izy ireo kinanjo izao niharan-doza tampoka izao. Nifanampy nanavotra ireo niaran-doza avy hatrany ny mponina nanatri-maso ny loza. Nentin’ny fiara nihazo ny hopitaly eo amin’ny HJRA ilay ramatoa sy ny zanany. Tsy tana anefa ny ain’ireto farany rehefa tonga teo amin’ny toeram-pitsaboana. Mandray an-tanana ny fanadihadiana mo­mba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: