«Copa America 2024» : mbola voatazon’ i Argen­tine ny amboara

Tsy mbola votsotra eo am-pelatanan’i Argentine ny amboaran’ny “Copa America”, efa azony ny taona 2021. Omaly alatsinainy, nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Miami, resin’i Argentine tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Colombie. Nivoaka sempotra anefa ny Argentine vao nivoaka ho mpandresy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana, 112 mn, vao nahafaty io baolina tokana io i Lautaro Martinez. Nifandanja ny lalaon’ny roa tonta ary nifamaliana hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany ny fanafihana. Nihevitra ny rehetra fa ho tonga any amin’ny fandakana ny “tirs au but” ny lalaon’ny roa tonta saingy baolina voatsoriakan’i De Paul, izay nanome an’i Martinez no nahazoan’i Argentine ny fandresena.
Tsiahivina fa tsy nahavita ny lalao hatramin’ny farany i Messi. Voatery nesorina ny tenany noho ny dona nahazo ny tongony havanana teo amin’ny faha-66 mn nilalaovana. Ranomaso, no nialany ny kianja saingy nivadika ho fifaliana izany rehefa nivoaka ho mpandresy ry zalahy.
Ankoatra izay, tsy nanomboka ara-potoana ity famaranana ny “Copa America” ity, noho ny fibosesehan’ny mpijery hiditra ao anaty kianja. Nihemotra ora 1 sy 22 mn amin’ny ora voatondro vao nandeha ny baolina. Nisy voasambotra ta­min’ireo mpijery tonga tany an-toerana.

Tompondaka

Partager sur: