Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: “Tokony hanova fomba fiasa ny praiminisitra”

Tsy manana olana amin’ny nanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian ny depiote voafidy tany Betroka. Na izany aza, nitondra tolokevitra ny tenany amin’izao hitantanany ny governemanta izao.

“Aleo tsy manova azy, fa sarotra ny manavao. Ny tokony hataony fotsiny: tokony hanova politika kely izy: hanara-maso any ifotony, ary tokony hihaino ny depiote. Ny depiote no farany mahafantatra ny zavatra rehetra any ifotony”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Randrianasolo Jean Nicolas, ny amin’ny mbola nanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian. Toko­ny hi­vory miaraka amin’ny depiote hatrany izy, na indray mandeha na indroa isam-bolana mba hahazoana mandrindra an’izay fomba fiasa vaovao izay. Ny mahatonga ny depiote sasany diso fanantenana: amin’ny asa maroben’ny Praiminisi­tra, tsy mandray telefaonina izy fa variana amin’ny tatitra lainga.

Hisy fiovana eto amin’ny firenena

“Mino aho fa mety hisy fiovana ny fomba fiasa eto Ma­dagasikara”, hoy izy. Ny go­vernemanta amin’ity: tokony ho olon’ny fitondrana no hapetrany mba hitsaran’ny vahoaka azy. Amin’izay, tsy manao fialan-tsiny… Mba tsy hisy maningantsingana, fa aleo izy irery eo amin’ny fitondrana no hitondra. Olona ananana fitokisana izany. Aleo olona ivelan’ny politika izay manana traikefa amin’ny fitantanana no hanampy miaraka amin’ireo mpanao politika namany no handrafitra ny mpikamban’ny governemanta. Maro ny zavatra efa vitan’ny Praiminisitra. Sarotra ny mandrefy an’izay hoe: tokony hiala ve izy sa tsia? Amin’izao toe-draharaha politika izao, sarotra ny manavao ny lehiben’ny ekipa. Tsy maintsy tazonina izy. Na tiana na tsia, tsy mipetra-potsiny amin’izao ireo mpanohitra amin’izao fahasahiranam-bahoaka izao. Hita porofo fa sahirana tokoa ny vahoaka malagasy.

R. Nd.

Partager sur: