Famarinana olona : mbola anisan’ny arahi-maso i Madagasikara

Namoaka tatitra momba ny famarinana olona ny departemantam-panjakana amerikanina tamin’ity taona 2024 ity. Tsy nisongadina ny ezaka fa mbola mijanona ao anatin’ny sokajin’ireo firenena arahi-maso na “Tier 2 Wat­chlist” izay efa nisy azy tato anatin’ny roa taona i Mada­gasikara.
Ny sampandraharaham-panjakana amerikanina misahana ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny famarinana olona, amin’ny alalan’ny Unodc, dia manohana tetikasa mitentina 2 tapitrisa dolara. Hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana sy mpampanoa lalàna hampihatra lalàna, ary ny mpitsara mba hahafahan’izy ireo hanadihady sy hanenjika ary hanasazy ireo nahavanon-doza no antony.
Misehatra amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny ady amin’ny famarinana olona ary mamolavola ny fampiharana ny drafitrasa nasionaly mi­fanaraka amin’izany koa ny Unodc Afrika.
Mankasitraka hatrany ireo ezaka nataon’i Madagasikara hiadiana amin’ny famarinana olona, indrindra any amin’ny lafiny teknika, ny masoivoho amerikanina. “Na izany aza, mahatsapa izahay fa raha te hahazo vokatra maharitra amin’ny ady amin’ny famarinana olona dia ilaina ny fiaraha-mientan’ny mpitondra, tarihin’ny manam-pahefana faratampony”, hoy ny tatitra. Etazonia dia vonona hatrany hiara-dalana amin’ny governemanta malagasy hiady amin’ny famarinana olona na ato anatin’ny sisintaniny na any ivelany.

Tatiana A

Partager sur: