Fambolem-bary: nampiakatra ny voka-pambolena ny teknika Papriz

Nampiroborobo ny famokaram-bary eto Madagasikara ny teknika Papriz 3. Tafakatra hatrany amin’ny 8,6 taonina/ha ny voka-bary azo.

Tsara ny vokatra. Tafaka­tra hatrany amin’ny 5,5 taonina hatramin’ny 8,6 taonina/ha ny voka-bary azo ho an’ny velaran-tany 85 000 ha tamin’ny alalan’ny teknika Papriz. Manodidina ny 3,5t/ha kosa ny taham-bokatra ambany indrindra ary maherin’ny 100 000 isa ireo tantsaha nampihatra izany teknikam-pambolena izany. Ireo ny vokatry ny tombana sy ezaka vitan’ny fandaharanasa ho an’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana vary eto Madagasikara. « Nanomboka ny taona 2020, nitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny famokaram-bary eto amintsika ny tetikasa Projet d’appui pour l’amélioration de la productivité et de l’industrialisation du secteur riz (Papriz III) ». Maharitra dimy taona ny tetikasa, ary anatin’ny dingana famaranana izany amin’izao fotoana», hoy ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa, Zoelinirina Zoé Patricia. Tao anatin’izany, mahatratra 2 700 ireo tantsaha nisitraka fiofanana ary 103 ireo teknisianina avy amin’ny fitantanam-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (DRAE) nahazo mari-pankasitrahana.

Manohana

Nifototra tamin’ny fampiofanana ireo tantsaha sy ireo tantsaha mpampiofana ny tetikasa amin’ny fampiharana ny teknika Papriz. Ity farany izay antoka ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana. Nohamafisina sy nohatsaraina ihany koa ny fampiofanana ireo mpisehatra anatin’ny fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE) sy ireo kaoperativa amin’ny lafiny fahaiza-mitantana sy fanampiana ireo tantsaha amin’ny fisitrahana masomboly ary zezika. Ankoatra izay, hisitraka ny tetikasa ny faritra Atsimo Andrefana, Atsimo Antsinanana, Anosy, Androy, Melaky, Sofia ary Diana. Tsiahivina fa mamatsy vola ny tetikasa Papriz 3 ny Japan international cooperation agency (Jica), manatanteraka izany kosa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae).

Henintsoa Hani

Partager sur: