Fandraharahana: Liana amin’ny tetikasa Odof ny mpianatra

Hivondrona sy hanangana orinasa ho azy ireo manokana ny mpianatra avy ao amin’ny Lycée téchinique profesionnel Moramanga taorian’ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny herinandro teo. Nampirisika sy nanohana azy ireo hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ny minisitra dieny mbola any an-tsekoly. Orinasa azo hatsangana, hoy ny minisitra, ny fitadiavana ronono hamatsy ny ozinina. Manampy ny mpianatra izany sady hampitombo ihany koa ny vokatra ataon’ny ozinina. Araka izany, ho hita ao anatin’ilay ozinina hitsangana ireo rantsa-mangaika samihafa, toy ny mpitantana, mpikirakira ny lafiny teknika, mpikirakira ny lafiny ara-bola, eny fa hatramin’ny mpanadio trano sns. « Tokony hifandimby ireo mpianatra amin’ny fanatanterahana ireo andriakitra rehetra ireo. Tokony hahay ny zavatra rehetra ihany koa mba hahatongavana amin’ny tena hoe mpitantana mahay any aoriana any », araka ny torohevitra voarainy. Ankoatra izay, tokony hanana fahaizana sy fahalalana ary fahendrena ireo mpianatra mba hahatongavany ho mpandraharaha matihanina.

Henintsoa H.

Partager sur: