FANTINA sy FINTINA

Notanterahina omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana mpisolo toerana ny Anteni­mi­eram­pirenena, ny depiote Rabenirina Jean Jacques, sy ny filoha vaovao, ny depiote Tokely Justin. Natao tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ary tao anatin’ny firahalahiana tanteraka.

“Hampirevy vahoaka sy hiaro ny filoham-pirenena ary hanomana ny fifidianana depiote amin’ny taona 2029 ny iraka ataoko”, hoy ny depiote Raholdina Naivo, omaly. Namindra ny fitantanana ho an’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, teny Tsimbazaza. “Ho depiote mandra-pahafaty aho”, hoy izy.

Nametra-pialana ny 12 jolay teo ny governoran’ny faritra Androy, i Soja Lahimaro. Nalefany any amin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izany. Nambarany ho antony manokana sy ara-pianakaviana no nandraisany izao fanapahan-kevitra izao. Tsiahivina fa voatendry amin’izany toerana izany ny tenany ny 19 septambra 2019.

Miantso ireo olom-pirenena leo ny adin’olon-droa: Ravalomanana sy Rajoelina, mba hanara-dia azy i Rinah Rakotomanga. Nambarany fa variana amin’ny adin’olon-droa isika hatramin’izao ka hadino ilay tena fampandrosoana ny firenena. Tsiahivina fa kandidà voalohany nanambara fa hirotsaka ho ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo ny tenany.

Partager sur: