Fitomboan’ny mponina : ilaina ny fandrindram-piterahana

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindram-piterahana. Olana rahateo ny fahabetsahan’ny mponina ka antony nahatonga ny teo anivon’ny fitondram-panjakana nametraka politika mazava momba ny fandrindram-piterahana, araka ny fanazavan’ny mpitarika ny fiarahamonim-pirenena sady sefo fokontany Anosizato Atsinanana, Rafano­me­zan­tsoa Jean Nirina. Nambarany fa miteraka fahantrana lalina ny fitomboan’ny mponina diso tafahoatra amin’izao fotoana izao. Nanome ohatra izy fa anisan’ireo be mponina ny eo anivon’ny fokontany hiadidiany. «Miteraka fahantrana lalina ho an’ny firenena indrindra ny fihariana ny tsy fahaizana mandrindra ny taranaka. Ady goavana mbola hatrehintsika amin’izao fotoana izao izany», hoy izy. Tsy maintsy tadiavina ny fomba rehetra mba hahatonga izany fanentanana izany hipaka any amin’ny vahoaka tsirairay avy. «Tsy misy tokony hampiahiahy ny fandrindram-piterahana. Andao hiara-hientana ny rehetra indrindra ny isam-pokontany», hoy hatrany izy.

Jean Claude

Partager sur: