Handball – CCCOI 2024 : hofaranan’ny Malagasy sy i Mayotte

Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy.
Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona ny THBC sy ny ASC Tsingoni. Hanala vela amin’ity ny ekipa malagasy. Raha tsiahivina, resin’i Tsin­go­ni, tamin’ny isa 22 no ho 17 nandritra ny fihaonan’ny roa tonta farany ny sabotsy 13 jolay lasa teo. Ity izany ny tsontsorimamba isarahana eo amin’izy ireo.
Ho an’ny lehilahy, hifanandrina ny AS St Michel sy ny CH Combani. Teo amin’ny manasa-dalana, natao ny alahady lasa teo, resin’ny St Michel tamin’ny isa 33 no ho 31 ny ASC Tsingoni avy any Mayotte. Lavon’ny CH Com­bani tamin’ny isa 36 no ho 34 kosa ny St Pierre Handball Club avy atsy La Réunion. Nandritra ny fifanintsanana, samy nitana ny laharana faharoa tao amin’ny vondrona nisy azy ny St Michel sy ny Combani.

Tompondaka

Partager sur: