IKM Antsahavola : miavaka ny rantin-tsarin’ i Nart Paul

Anisan’ny mahakanto ny zavatra iray ny fananany ny mampiavaka azy amin’ireo miaraka aminy. Tena kanto tokoa raha ny zavakanto vokarin’i Nart Paul, arantiny eny amin’ny IKM Antsahavola.

Manatanteraka fampirantiana eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsa­havola, hatramin’ny 24 jolay 2024, i Mahafaly Nary Paul, fantatra amin’ny anarana hoe Nart Paul eo amin’ny sehatry ny fanaovana hosodoko. « Betsileo », io no lohatenin’izany fampirantiana izany. Hita ao anatin’izany ny fampahafantarana ireo fomba fanaon’
ny mponina avy amin’iny foko betsileo iny, amin’ny alalan’ny sary maro isan-karazany. Anisan’izany ny hosodoko sy ny sary pika. Mpanakanto feno sy manana ny mampiavaka azy tokoa raha i Nart Paul. Ny fampiasana ny voanjo sy divay ho akora fototra hanaovana hosodoko no iavahany amin’ireo mpanao hosodoko hafa.
Sary isan-karazany, miisa fito amby ny folo no arantin’i Nart Paul, eny an-toerana. Misy ny sary hosodoko, ary misy ny sary pika. Ireo kolontsaina mampiavaka ny betsileo sy ny fiainana andavanandron’ny mponina amin’io foko io no hasongadina amin’ny alalan’ny talentany ka asehony amin’ny alalan’ny sary. Ani­san’ny hita amin’izany ny savika, izay anisan’ny kolontsaina mampiavaka ny betsileo. Eo ihany koa ny sary maneho ny takariva amorom-patana ary ny sarin’olona manetsa. Zanaky ny foko betsileo moa i Nart Paul ary nambarany fa mirehareha izy maneho ny maha izy izany foko niaviny izany amin’ny alalan’ny kanto.
24 taona ity mpanakanto ity amin’izao. Tsy nijanona fotsiny amin’ny fahaizana manao sary izy fa nikaroka hatrany izay mety hampiavaka azy. Trangam-piainana iray teo amin’ny fiainany no nahitany fa afaka atao akora fototra ahafahana manao sary ihany koa ny voanjo. Marihina fa efa nanao sary hosodoko tamin’ny alalan’ny divay ihany koa izy. Efa mpankafy sary sy hosodoko hatramin’ny fahakeliny i Nart Paul, ary maniry ny hanao izany fanaovana hosodoko izany ho anto-pivelomana.

Lin

Partager sur: