Anatin’ny fandraisana ny antotan-taratasy mombamomba izay kandidà ho minisitra ny tomponandraikitra, ankehitriny. Mbola tsy voafaritra mazava ny daty hivoahan’ny anaran’ireo ho mpikambana vaovao anatin’ny governemanta. Maka fotoana rahateo ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambarany. Tsy misy ny mahamaika sy hirotorotoana fa efa vita aloha ny dingana goavana anankiroa: Praiminisitra sy ny birao maharitry ny Antenimierampirenena.
Mangingina ny fifantenana, mbola anatin’ny fanaovana ny tombana ireo am-perinasa rahateo ny tompom-pahefana. Aorian’izay vao hiroso amin’ny sivana isan’ambaratonga. Tsy maintsy olona efa niara-dalana hatrizay, tsy nivadibadika sy tsy hamadika no ilaina. Tsy afaka ny hanao asa fampandrosoana ny olona samihafa tanjona. Mifototra amin’ny finiavana hampandroso sy ny fahavononana hanohana ny fitondrana ny fepetra voalohany.
Mandritra izany, mihantonkantona avokoa ny asam-panjakana. Manahirana ny manao taratasy any amin’ny birao isan-tsokajiny. Mialangalana ny tomponandraikitra. Mifanjana ny mpiasa madinika. Manoloana izany, mivezivezy ny vahoaka manan-draharaha atao. Hikoa-maina aza atao, mainka fa misy hirika hafa hialana bala. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpiasam-panjakana sasany. Manahirana!
Raha ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao, manana adidy hanafaingana ny fanendrena ny tomponandraikitra voalohany isaky ny minisitera ny lehiben’ny mpanatanteraka mirahalahy. Miteraka fikatsoana fa tsy fampandrosoana ny fitarozahan’ny fanaovana taratasim-panjakana. Misy toe-tsaina mampiteny ny moana eny amin’ny departemanta isan-karazany ka ilana vahaolana hamehana. Mbola lavitr’ezaka ny fanovana toe-tsaina. Tokony hafangainina, araka izany, ny fanendrena. Na izany aza, samia miandry am-pitoniana!
r.r