Minisiteran’ny Fampianarana ambony : hosorohina ny fivoahan’ny laza adina bakalorea mialoha ny fotoana

Nametraka fanamby goavana. Hanomboka ny faha-22 jolay ho avy izao ny fanadinana bakalorea. Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa (Mesupres) fa efa vonona izy ireo.

Nambaran’ny minisitra mpi­solo toerana, Ravo­ka­tra Fidiniavo, fa efa vonona amin’ny fitaovana sy ny fandaminana rehetra ny fanjakana. Eo koa ny fampiasana ny rindrambaiko “Bacc Data 2024”, ahafahana mahita amin’ ny antsipiriany ny zava-misy isa­ky ny efitranom-panadi­na­na izany. Ohatra, ny isan’ny mpi­anatra, ny jiro sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny, araka ny nambarany. “Hifanto­han’ny minisitera koa ny tsy hi­ve­renan’ny fivoahan’ ny laza adina mialoha ny fotoana raha lesoka izany tato anatin’ny taona vitsivitsy amin’ ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea”, hoy izy. Nanteriny fa miara-mifarimbona ny fitondram-panjakana sy ny governemanta hahatontosa izany, araka ny nambarany. “Roa isaky ny taranja ny laza adina noforonina teo aloha fa natao maromaro kosa izany amin’ity indray mandeha ity”, hoy izy. Anisan’ny fepetra noraisina ny momba ny famonosana sy ny fandefasana ireo laza adina amin’ireo foibem-panadinana manerana ny Nosy. Azo antoka ny fepetra rehetra napetraka tsy hivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana, araka ny nambarany hatrany. Mandray an­drai­kitra feno any amin’ny fari-piadidiana koa ireo préfet sy ny sefo distrika ary ny mpitandro fil­aminana sy ireo rantsa-mangaikan’ny minisitera any an-toerana.

Nanentana ireo mpianatra tsy ho voarebireby any anaty tambajotran-tserasera ka halaim-panahy handoa vola mba ahazoana laza adina mialoha ny minisitra. Tahaka izany koa ireo ray aman-dreny. “Manimba ireo tanora izany no manimba ny firenena koa. Horaisina, araka ny lalàna, ny fepetra ho an’ireo manaparitaka laza adina hatrany anaty tambajotran-tserasera any”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: