Tovolahy iray no hita faty nihantona tamin’ny tady tao Beampombo Fandriana, omaly vao maraina. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga azy nananton-tena tamin’ny tady fa efa tsy nisy aina intsony izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera nanao fizahana ny razana. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa monina ao Ankafobalo izy saingy izao hita faty nihantona izao. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy kosa anefa fa manana olana ara-pitiavana izy ka ahina ho misy ifandraisany amin’izao raharaha izao. Taorian’ny fizahana, natolotra ny fianakaviana ny razana.
Lehilahy iray hafa koa hita faty teny Alasora, omaly. Nanao fizahana ny razana teny an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera. Nahitana mangana ny vatany tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Fantatra fa anisan’ireo faritra ahitana trangana tsy fandriampahalemana matetika eny amin’ny manodidina ny toerana nahitana ny fatin’ity niharam-boina ity. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ ny mpitandro filaminana.
J.C