“Ranavalona III, The Chrysalys Queen”: hamelona indray ny tantara anaty soradihy i Gaby Saranouffi

Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny soradihy. Handray anjara amin’ilay hetsika “South African Art Festival” i Gaby Saranouffi. Ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III no hozarainy an-tsehatra mandritra izany.

Hotontosaina ny 8 hatramin’ny 10 aogositra izao ilay hetsika ara-javakanto “South African Woman Art Festival”, any Durban, Afrika Atsimo. Anisan’ireo voasafidy haneho ny talentany mandritra izany ilay mpandihy sy mpamorona soradihy, Gaby Sara­nouffi. Fotoana izay hitondrany an-tsehatra ny “Ranava­lona III, The Chrisalys Queen” indray izany. Araka ny lohateniny, maneho ny tantaran’ny mpanjakavavy farany teto Madaga­sikara ity soradihin’i Gaby Saranouffi ity. Izy irery rahateo no haneho izany. Miara-miasa amina mpanakanto afrikanina tatsimo kosa izy, eo amin’ny mozika ravaka, ny akanjo fisehatra, sns.
Tsy vao sambany no hitondran’i Gaby Saranouffi an-tsehatra ny “South African Wo­man Art Festival”. Be mpankafy izany, noho izay maneho tantara izay. Manintona ihany koa ny nisafidianana ny fitafy sy ny fisehatra anatin’ny soradihy.
Hetsika iray fanao isan-taona any Afrika Atsimo ny “South African Woman Art Festival”. Vehivavy mpanakanto afrikanina tatsimo maro, miampy ireo solontena avy amina firenen-kafa no mizara ny kantony mandritra izany. Kanto marolafy no aseho mandritra ny telo andro. Noho i Gaby Saranouffi efa monina any Afrika Atsimo, mora aminy kokoa ny mifandray sy miara-miasa amin’ireo mpanakanto namany, izay nanampy azy amin’ny fanatontosana ity so­radihy miavaka ity.

Zo ny Aina

Partager sur: