TARATRY ny KANTO

Ririnina, vanim-potoana mampiroborobo ny hiragasy. Tsy mipetraka an-tanàna ny mpanao azy ity fa manafana ny lanonan’ny didim-poitra sy ny famadihan-drazana. Somary mafimafy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny mpikarakara sy ry zareo amin’izao vanim-potoana izao. « Te hitazona ny fomba ny Malagasy. Tsy afa-manoatra anefa satria tsy mitsaha-mitotongana ny fahefa-mividy… Io tranga io no tena manahirana rehefa manatanteraka fifanarahana », hoy ny mpihiragasy
Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny « Madagascourt Film Festival », andiany faha-19. Malagasy mpanatontosa roa no nandrombaka ny amboara, nandritra ny fifaninanana. Tsy iza izany fa Raoelijaona Gourio Laurino, teo amin’ny sokajy “Docu­mentaire Panafricaine” sy Randriamiarisoa Fanasina, sokajy “Compétition nationale”.
“Ilay raiko izay tsy ananako” nosoratan’i Voary Velonjara no nandrombaka ilay fifaninanana “Petit projet culturel” nokarakarain’ny fikambanana Iza. Hisy ny filalaovana an-tsehatra io tantara io, eny amin’ny CGM Analakely, ny sabotsy 20 jolay 2024. Ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana Iza no hampiaina izany tantara izany an-tsehatra.
Hiray sehatra i Luk sy i Arison Vonjy. Efa tena ela no nandrasan’ny mpankafy izany ka hotontosaina ny zoma 19 jolay izao, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Maro dia maro ny hira halahatra, izay hotrotroin’ireo mpitendry toa an’i Dovs Rakotondraina eo amin’ny vatamaroafitsoka, Rindra Rakotosaonina eo amin’ny gitaza ary Nali Rabarison eo amin’ny amponga maroanaka.

Partager sur: