Tapitra ny tetikasa Prosol any Andranofasika sy Ankarafantsika, faritra Boeny, vatsian’ny fiaraha-miasa alemà Giz ara-bola. Nisongadina ny fambolena agroekolojika.
Nijery mivantana ny fizotry ny asa sy ny fiantraikany amin’ireo misitraka ny tetikasa Prosol any Mandritsarahely sy Andranofasika, ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin, ny herinandro lasa teo. Ifantohan’ny tetikasa ny famokarana mikajy ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fandrindrana ny fambolena, ny fitantanana ny kijana, ny fiarovana ny tany hikajiana ny tontolo iainana. Ao anatin’ireo ny fanaovana fambolena agroekolojika, ny fifandimbiasana sy fampivadiana ny karazam-boly, ny fampiasana masomboly voafantina, ny fambolen-kazo, sns.
Mahatratra 36 000 ha ny velaran-tany iasan’ny Prosol any Boeny, ka kijana ny 14 000 ha, ambolena ny 22 000 ha. Miisa 20 000 ny olona nahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa. Anisan’ny misongadina ny fambolena ampemba. Efa misy mpandray koa ny vokatra katsaka.
Titra tany 350
Toraka izany koa ny asa ataon’ny ONG Landdev any Ankarafantsika, miara-miasa amin’ny tetikasa Prosol. Ezaka natao ny fambolena agroekolojika, ka nahatratra 600 ha ny velaran-tany nambolena mangahazo sy legioma. Napetraka ny aro afo iadiana amin’ny doro tanety sy doro ala. Eo koa ny fanohanana amin’ny fananan-tany, ka nanodidina ny 350 ny tany vita titra. Nisy ny fizarana masomboly, ny tetikasa andrana amin’ny fanodinam-bokatra, ny fampahafantarana voka-pikarohana sy traikefa mahomby, sns.
Niaiky ny minisitra Ratohiarijaona Suzelin fa mitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny tantsaha eny ifotony ny fikarohana nentin’ny tetikasa Prosol, indrindra ny fambolena mikajy ny tontolo iainana toy izao. Tsara ny hizaran’ireo mpisitraka amin’ny hafa ny fahaiza-manao sy ny traikefa azony.
Njaka Andriantefiarinesy