Miisa 50 ny mpitsara niofana momba ny tambajotrana asan-jiolahy iraisam-pirenena, ny 1 hatramin’ny 5 jolay teo. Tafiditra ao anatin’izany koa ny mahakasika ny fanondranana biby na zavamaniry antsokosoko. Avy eto Antananarivo sy any amin’ny faritra izy ireo, entina hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny lalàna eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Tsy ampy ny isan’ireo mpitaridia ara-pizahantany eto Madagasikara. Nambaran’ny tomponandraikitr’ity fikambanana ity fa manomboka miroborobo ny fizahantany, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao. Tena voakasik’izany tsy fahampiana isa izany ny mpitaridia any ifotony.
Hisy fanofanana mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo any Toamasina, ny 18 sy 19 jolay ho avy izao. Voakasik’izany ny fiompiana, ny fomba fanatavezana ary ny fitantanana. Maimaimpoana ny fampiofanana, hatao ao amin’ny efitrano malalaky ny DRPEB any Salazamay ary ao ihany koa ny fisoratana anarana.