Fampandrosoana : mila tohana ny tanora malagasy

Latsaky ny 25 taona avokoa ny 64% ny Malagasy. Tom­­bony izany eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampiasam-bola. Ho an’i Madagasi­kara, manodidina ny 37,9% ny tahan’ny fananan’asa ka lehilahy avokoa ny ankamaroany. Mahay mamorona sy manan-talenta ny tanora malagasy. Betsaka ireo mandraharaha noho ny tsy fahitana asa saingy sakana ny fitadiavana mpamatsy vola enti-mampirobo­robo ny seha-pihariana. Noho izany, mila tohana sy fampiofanana ny tanora hoenti-ma­mokatra sy hampitomboina ny fahaiza-manaony. Voaresaka izany nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ ny fahaiza-manaon’ny tanora, andiany faharoa tao amin’ny faritra Boeny ny 15 sy 16 jolay teo. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny hoe « manangana ho an’ny tontolon’ny asa, mi­tovy sy mampiaty indrindra ho an’ny tanora eny ambanivo­hitra, miantoka ny filaminana, maha olom-pirenena sy fampandrosoana lovainjafy ». Nivoitra tao anatin’izay fa fototra lehibe ny fanovana ny fampianarana sy ny fampiofanana arakasa mba hananan’ny ta­nora asa mendrika sy mamaly ny filan’ny asa.
Fanampiana

Andry telo lehibe ny fitondram-panjakana ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana. Ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny fanohanana hanampiana ny tanora mala­gasy. « Asa tohivakana ny fam­­piofanana sy fampanan’asa mendrika… », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiom­piana, Ratohiarijaona Suzelin. Nampahafantariny ihany koa ireo politika hiatrehana ny fampiroboroana ny tanora, ny famoronan’asa sy ny fanomezana asa mendrika ho an’ny tanora eny ambanivohitra.

Henintsoa Hani

Partager sur: