Fampianarana teny anglisy : ELTA, ivondronan’ny mpampianatra

Nampahafantatra ny fijoroany ara-dalàna ny fikambanan’ny mpampianatra teny anglisy eto Madagasikara (ELTA), ny fiandohan’ny herinandro teo. Dingana lehibe iray ho an’ny fampianarana teny anglisy izao, hoy ny ma­soivoho amerikanina, Claire Pierangelo. Nankasitraka ireo mpampianatra teny anglisy manerana ny Nosy noho ny ezaka vitan’izy ireo ny tenany. Tanjona ny hiara-hametraka fototra ho an’ny hoavy mamiratra amin’ny fampianarana teny anglisy eto Madaga­si­kara.
Nampiray sy nanohana ireo mpanabe maherin’ny 2000 misandrahaka manerana ny an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandaharanasa samihafa ny masoivoho Ame­rikanina.
Ny ELTA Madagascar dia mikendry ny hampiroborobo ny fikambanan’ny mpampianatra teny anglisy sy hanandratra ny sehatra maha matihanina ary hanatsara ny fampianarana teny anglisy manerana an’i Madagasikara.
Maro ireo nandray anjara tamin’ny famadihana ity vina ity ho lasa tetikasa mivaingana. Efa natao tamin’ny toerana maro ny fanofanana mpampianatra teny anglisy. Maro ireo Lycée hiseharana ary miavaka sy sangany ireo mpianatra.
Manampy betsaka amin’ny fifampizarana traikefa amin’ireo samy mpampianatra teny anglisy ny fisian’ny fikambanana. Manamora ny fanohanana ataon’ireo malala-tanana ihany koa amin’ny fanatevenana ny fahaiza-manao momba ny fampianarana teny anglisy.

Tatiana A

Partager sur: