Nidoboka am-ponja vonjimaika ny filohan’ny BAAM, Rasambozafy Cyrille sy ireo telo hafa rehefa niakatra fampanoavana tao Mananjary, afakomaly. Nafahana madiodio kosa ireo olona efatra hafa. Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fitarihana hetsika tsy nahazoana alalana nitakiana ny fanahafahan’ ny depioten’i Vangaindrano, i Mahavitara Sylvestre. Hatao ny 22 aogositra izao ny fitsarana.
Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, teny Faravohitra, ny
15 jolay teo, ny masoivohon’i Korea, i Park Ji Hyun. Voaresaka tamin’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena andaniny sy ny ankilany. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny sosialy.
Noraisin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, i Eric Besoa, ireo avy amin’ny vondrona orinasa misehatra amin’ny fanorenana sy ny fotodrafitrasa “Egis”, any Frantsa, afakomaly, tetsy Anosikely. Misandrahaka amin’ny firenena an-jatony ity vondrona ity ary efa 50 taona niasana teto amintsika izy ireo, amin’ny alalan’ny Iframad. Anisan’ny nanitatra ny seranam-tsambo ao Toamasina ity vondrona orinasa ity.
Nanomboka ny 4 jolay teo tany Montréal ny fivoriana andiany faha-10 eo anivon’ny “Parlement francophone des jeunes – PFJ”. Misolo tena antsika any an-toerana Imitsinjolavitra Lalaina Amaralda sy i Solofohanitra Jaspierre Toavina John. Miatrika izany ireo tanora maherin’ny 80 maneran-tany avy amin’ny PFJ ka ahitana ireo miteny frantsay any Azia, Amerika, Afrika ary i Eoropa. Tsiahivina fa nifarana ny 9 jolay ny fihaonana.