Fifidianana ben’ny tanàna: tokony hivoaka ny 6 aogositra ny fanaikana mpifidy

Mbola manjavozavo ny hirosoana amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsain’ny Tanàna amin’ity taona ity. Efa tokony hamoaka ny daty fanaikana ny mpifidy rahateo ny fanjakana.

Tsy mbola niova fa mijanona ho ny 6 novambra amin’ity taona ity ny fifidianana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina. Efa samy nankatoavin’ny fitondram-panjakana niaraka amin’ny tetiandro nanatanterahana ny fifi­dia­nana solombavamba­hoaka, farany teo izany tetiandro izany. Midika izany fa tokony ho afaka tapa-bolana eo ho eo, farafahatarany ny hamoahan’ny fanjakana ny didy fa­naikana ny mpifidy. Nanamafy izany ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Ceni fa tokony hiaraka amin’izany didim-panjakana izany koa ny fepetra sy ny famariparitana ireo anton-taratasy ilain’ireo mpirotsaka hofidiana. “Anisan’ izany ny anto-bola haloan’ireo kandidà. Tahaka izany koa ireo tetiandro samihafa mi­fan­draika amin’izany”, hoy izy. Na izany aza anefa, nambaran’ ny loharanom-baovao fa mian­dry ny fitsanganan’ny governemanta avokoa izany rehetra izany. Tomba­nana fa hitsangana mialoha izao faran’ny volana izao ireo ekipa handrafitra ny governemanta mba ahatra­rana izany fe-potoana izany.

Efa vonona ireo antoko politika

Etsy andaniny, efa dila ny fe-potoana novolavolain’ny Ceni ny amin’ny tetiandro na­tolotr’izy ireo ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny tokony nanombohana ny fa­naterana ny anton-taratasy
ho an’ireo kandidà ben’ny Tanàna ny 8 jolay teo. Efa tolokevitry ny eny Alarobia koa ny hamerana ny anto-bolan’ireo ho kandidà ho 5 tapitrisa Ar eo ho eo.
Tsiahivina fa efa maro­maro ireo antoko politika, mi­vonona hiatrika izany fifi­dia­nana eny ifotony izany. Ani­san’ny efa nanambara izany ny eo anivon’ny Tim sy ny avy amin’ny MMM ary ny Fivoy.

Synèse R.

Partager sur: