Fiverenana amin’ny fototra : mila mitandrina ny mpanakanto

Ny talenta samy manana. Niezaka nanasongadina ny azy ny mpanakanto ka naka tsy satry ny toeran’ny mpa­nabe. Io antony lehibe io no mitaky fitandremana fatratra ho azy ireo (mpanakanto). Tsy tokony hijanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny ny fiverenana eny an-doharano fa mila manasongadina ny fototra izy ireo. Mila maneho ny mampiavaka ny kolontsaina malagasy, ny soatoavina ma­lagasy, ny hasina maha Ma­lagasy, ny fahendrena mala­gasy, sns.
Mpikabary, mikabary fa tsy manao tsianjery. Ny mpanao sary sokitra, maneho ny hasin’ny soatoavina malagasy. Ny mifanohitra amin’izay, mbola kanto ve ? Ny mpamoronkira na mpanoratra, manasonga­dina ny fahendrena sy fahalalana ananan’ny Malagasy, sns. Ohatra ihany ireo.
Hatramin’izao, anefa, sahirana amin’ny fanehoana ireo ny mpanakanto noho ny an­tony maro. Anisan’ireny ny zava-misy amin’izao vanim-potoana izao. Iray amin’ireny ny fotom-pisainana. Tsy ma­nasongadina hasina fa mikatsaka laza. Tsy manandratra ny an’ny tena fa tia misone­nika amin’ny an’ny hafa, sns. Mbola mila fanarenana goa­vana !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: