Haban-tseranana : handoavana haba ny entana mihoatra amin’ny fetr’isa

Misy ny bokikely hamantarana ny isa sy ny karazan’entana azon’ny mpandeha entina miditra eny amin’ny seranam-piaramanidina. Azo ampiasaina koa ny finday avo lenta hidirana ao amin’ny fitaovana niomerika eTariff.

Natao, omaly, ny fivoriana nokarakarain’ny Fitan­ta­nana foibe ny haban-tseranana (DGD) malagasy, niaraka tamin’ireo mpisehatra sy manan-draharaha aminy. Nifantoka tamin’ny Fifana­ra­hana hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra (AFE), araka ny tanjon’ny Fikamba­nana iraisam-pirenena ara-barotra (OMC). Nandray an­jara tao ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina, ny mpikarakara ny fanafarana na ny fanondranan’entana any ivelany, sns.
Nampahafantarin’ny tale jeneraly (DG), Zafivanona Lainkana, ny fepetra mihatra eny amin’ny haban-tseranana. Voafaritra ao ny sokajin’en­tana ary ny fatra sy ny isa azon’ ny mpanjifa entina miditra aty Madagasikara. Toy ny zava-pisotro misy alikaola, ny sigara, ny kojakoja (ranomanitra, finday, entana sarobidy, sns), ho ampiasaina samirery fa tsy amidy. Tsy mihoatra ny 1 000 euros ny vidin’ny entana rehetra tsy andoavana haba. Tsy maintsy anaovana fanamba­rana amin’ny ladoany kosa ny entana mihoatra amin’ny fetr’ isa, ka andoavana haba.

Tsy azo sokafana
Fomba vaovao koa ny fampiasana ny teknolojia nio­me­rika, antsoina hoe: “eTariff”. Azo jerena anaty finday avo lenta (android na Iphone) ny momba ny entana rehetra, ny dingana arahina ary ny saran’ ny haban-tseranana tokony haloa.
Mahakasika ny fitarainana samihafa eny amin’ny seranam-piaramanidina, nilaza ny DG Zafivanona Lainkana, fa « tsy afaka manokatra ny valizin’ny mpandeha ny mpia­san’ny ladoany, raha tsy eo imason’ny tompony ». Noha­mafisiny fa mila manao fa­nambarana amin’ny ladoany ny mpandeha ny entana mi­hoatra amin’izay noferan’ny lalàna. « Misy foana ihany koa ny fivoriana tarihin’ny ACM, iarahan’ ny mpisehatra rehetra eny amin’ny seranam-pia­ramani­dina, toy ny ladoany, ny poli­sin’ny sisin-tany Paf, ny sampandraharaham-panja­kana hafa », hoy ihany izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: