Voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara taranja handball sokajy “sénior” vehivavy ny THBC Analamanga. Ny CH Combani avy atsy Mayotte no nandrombaka ny amboara, teo amin’ny sokajy lehilahy.
Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara, taranja handball (CCCOI 2024). Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy “sénior” vehivavy ny THBC Analamanga. Resiny teo amin’ ny famaranana, tamin’ny isa tery 27 no ho 26 ny Handball Club Tsingoni avy atsy Mayotte.
Niady ary nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany ny lalao nihaonan’ny roa tonta. Nanao be fiavy am-boalohany ny Mahorezy, notarihin-dry Julia Bela sy i Naimie. Nitarika hatrany izy ireo, hatreo amin’ ny isa 8. Teo vao nanomboka nifoha tamin’ny torimasony ny Malagasy notarihin’i Aina sy
i Judith, ka sahalan’izy ireo 9 no 9 ny isa. Tsy nijanona teo anefa fa nihoaran’izy ireo mihitsy ka lasa 13 no ho 11 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tsara ny fiarovantena ho an’ny Malagasy ary tao anaty lalao tanteraka i Zarinah, mpiandry tsatoby izay nahasakana tifitra maromaro.
Fizaram-potoana faharoa, niezaka nitazona ny elanelan’ isa ny THBC saingy betsaka loatra ny fikoropahana ka tsy tafiditra ireo baolina tokony ho faty. Vokatr’izay, nihoaran’ny Tsingoni indray ny isa teny amin’ny solaitra be ka nitarika tamin’ny isa 15 no ho 13 indray izy ireo. Nanomboka teo, nanafaingana ny lalao ny Malagasy ary tsy nanome irika handehanan’ny mpilalao mahorezy intsony. Vetivety dia tratra ny isa ary nitarihany
22 no ho 20 teo amin’ny 15 mn tsy hiravana. Nifamaliana ny fanafihana saingy tsy nahafaty baolina intsony ny mahorezy ka nivadika ho valim-panafihana ho an’ny Malagasy izany. 5 mn, tsy hiravana nitarika 25 no ho 23 ny THBC. Samy nahafaty baolina ny andaniny sy ny ankilany avy eo ka izay nahatonga ny isa ho 27 no ho 26. “Lesoka teo aminay ny fanariam-baolina be loatra teo am-boalohany saingy voaharina izany tamin’ny alalan’ny fanafainganana ny fanafihana izay tsy araky ny mpifanandrina”, hoy i Aina, kapitenin’ny THBC.
Teo amin’ny lehilahy, resin’ ny CH Combani tamin’ny isa 33 no ho 32 ny AS ST Michel.
Tompondaka