Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny andiany fahenina amin’ny Forum Mini-basket, izay karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) sy ny Fiba Afrika. Miisa 365 isa ireo ankizy tonga nanatrika izany teny an-toerana.
Hiatrika ny fifaninanana Davis Cup vondrona “V”, izay hatao any Gaborone Botswana, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, sokajy lehilahy, anio. Miisa efatra ireo Malagasy mpilalao hiaro ny voninahim-pirenena. Anisan’izany, Rakotondramanga Antso, Raharivony Nicolas, Andrianaly Dylan, Rakotondraso Valentin.
Hotontosaina ny alahady 21 jolay ho avy izao, any Ivohitra Antsirabe, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja Moto Enduro 2024 « X-Country Gasgas ». Fifaninanana izay karakarain’ny klioba BMC. Tsiahivina fa natao tamin’ ny volana mey lasa teo ny dingana faharoan’ity fifanintsanana ity.
Araka ny fikarohana natao omaly, nilaza ny mpanazatran’ny Three Lions Angleterre, Gareth Southgate, fa tsy hitondra ny ekipam-pirenena anglisy intsony. Tsiahivina fa in-droa nisesy izay ny Three Lions no niatrika ny famaranan’ny Euro, saingy tsy nahazo izany, nandritra ny fe-potoana nitantanany. Anisan’izany ny Euro 2020 sy ny 2024 farany teo.