INDRAY MIJERY

Tanterahina any amin’ny faritra Boeny ny atrikasa fanofanana ireo mpampiofana momba ny lalàna mifehy ny asa. Teknisianina 20 avy amin’ny faritra 6 no miatrika izany. Mbola andrasana eny anivon’ny HCC ilay volavolan-dalàna mahakasika ity lalàna mifehy ny asa ity ankehitriny.
Tanjona ny hikatsahana ny tombontsoa iraisana amin’ny fampiroboroboana ny tontolo’ny asa
Natao tany Mahajanga ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora. “Fahaiza-manaon’ny tanora ho an’ny filaminana sy fampandrosoana no lohahevitra voizina. Niompana manokana tamin’ny tanora misehatra eny amin’ny tontolo ambanivolo izany. Izy ireo no hery lehibe fanoitry ny fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny firenena manontolo.
Fitadiavana sekoly. Hisy ny hetsika hanampiana ny ray aman-dreny sy ny ankizy mitady sekoly hianarana, ny 20 jolay izao, etsy amin’ny Radisson Blue Ambo­divona. Hetsika natao hanomezana toromarika sy torohay ho an’ireo ray aman-dreny sy ny ankizy izany. Handray anjara mandritra izany ireo sekoly maro eto an-toerana. Hanome torohevitra koa ireo manam-pahaizana manokana, hanoro ny sekoly tsara atao mifanaraka amin’ny safidin’ny ankizy.
Fandoavana vacation ho an’ireo mpampianatra mitsara ny fanadinana bakalorea. Efa eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny vola vacation 2024, ho an’ireo mpampianatra ireo amin’ity taona ity. Mba hisorohana ny tsy fandoavana izany. Niroso tamin’ny fiomanana mialoha ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Efa voaloa avokoa ny vacation tamin’ny taon-dasa teo.

Partager sur: