Lasan’ny dahalo ny omby iray vala: raim-pianakaviana maty voatifitra

Lavon’ny bala ny raim-pianakaviana iray. Noraofin’ny dahalo ny omby tao am-bala tao amin’ny fokontany iray anatin’ny kaominina Maintirano, afakomaly alina.

Miakatra an-tanàna ny dahalo ao amin’ny fokontany Tanambao SPM, Kaominina an-dRe­ni­vohitr’i Maintirano, ny alin’ny alatsinainy 15 jolay teo. Niara-nisakafo hariva tamin’ny vadiny ny raim-pianakaviana iray monina ao an-toerana tamin’io hariva io. “Handeha hanidy ny trano izy taorian’izay no nisy lehilahy efa mijoro eo am-baravarana”, hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakavian’ny lasibatra. Nitam-basy, nitifitra avy hatrany ilay dahalo ka voa teo amin’ny fony sy ambanin’ny tratrany io raim-pianakaviana io. Niko­ropaka ary tsy sahy nivoaka ny iray trano nahare ny poa-basy.

Omby 40 voaroba
Nangorona ny omby rehetra tao am-bala ny dahalo naman’io nitifitra ilay raim-pianakaviana io. “Norobainy avokoa ny omby 40 mahery teo ary lasa nandositra izy ireo”, hoy hatrany ilay renim-pianakaviana havan’ny lasibatra. Nivoaka namonjy ilay lehilahy voatifitra izy rehefa nahare ny fahalasan’ireo olon-dratsy. Niantso vonjy tamin’ny manodidina izy. Raikitra ny fanarahan-dia ka nitohy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratana. Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponina ao an-toerana manoloana ny tranga fandrobana miharo vono olona toy izao. Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: