Ramamimampionona Gérard : “Itokisana amin’ny zava-drehetra ny minisitra”

“Olobe eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny minisitra. Ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka izany. Mitodika aminy ny mason’ny rehetra. Miandry azy hiasa mafy ny olona, mian­dry azy hijery ny fiainany… “. Izay ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina izay filoha lefitry ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, Ramamimampio­nona Gérard, momba ny fanendrena minisitra amin’ny fananganana governemanta vaovao, amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Koa ny fitondran-tenan’ny minisitra amin’izany dia mifanaraka amin’izay soatoavina malagasy hoe olona ananana fahatokisana amin’ ny zavatra rehetra: rehefa miteny, mahaentana ny olona; ankasitrahan’ny olona… Nefa misy lasa toy ny misavoamboana, lasa any amin’ny filan-karena, any amin’ny fanamboamboarana fehitenda sy vozon’akanjo. Tsy vonona hamoritra tanan’akanjo izany. Tsy mahagaga raha mivaona any amin’ny zavatra hafa ny fitondran-tena, araka ny nambarany. Raiamandreny ihany koa ny minisitra, na mpiasa aza. Koa mila fitondran-tena alain-tahaka ho an’ny besinimaro, mendrika, mihaja, madio, ary atokisan’ ny olona tanteraka. Notsiahi­viny koa fa tsy tokony hanalavitra ny filana fototra amin’ny vahoaka sy izay tena andra­san’ny vahoaka izay atao amin’ ny politika. Hevitra iray atao lamina hitondra asa hiara-manatanteraka ho amin’ny fampandrosoana sy ny filaminan’ny tanàna ny politika.

R. Nd.

Partager sur: