“Miantso ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra izahay amin’ny fisafidianana ireo ho minisitra misahana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa”, hoy ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ST MEETFP). Nohamafisin’izy ireo ny antso avo efa nataon’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena miasa amin’ ny sehatry ny fanabeazana. “Takinay ary hamafisinay ireto fepetra amin’ny fanendrena ireo ho tomponandraikitra rehetra hitantana ny minisitera”, hoy ihany izy ireo. Anisan’izany ny fanomezan-danja ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo ho tendrena hitantana amin’ny fitantanan-draharaha rehetra eto anivon’ny minisitera. Anisan’izany ny ao amin’ny minisitera sy ny eny amin’ny faritra, ny Lycée sy ny CFP.
Hamaha ny olan’ny mpanabe…
Mahalala sy manana vina entina hampandroso ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ireny olona hotendrena ireny, araka ny fanambaran’izy ireo hatrany. Eo koa ny fanajana ny maha olona sy ny tsy fanekena ny fametrahana ny olona hitsapatsapa. Afaka hidina hifotony sy hamaha ny olan’ny mpanabe sy ny mpampiofana amin’ireo sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana. “Tsy hitondra mpiasa avy any ivelany tsy mpiasam-panjakana hanilihana ireo mpiasa raikitra eo anivon’ny minisitera sy ny fitaleavana hanendrena azy”, hoy ity sendika ity.
Synèse R.