Nodimandry i Glita Raze, na i Germain. Mpitendry gitara nanaraka tarika maro izy. Anisan’ireny ny tarika Radama Antoine sy ny tarika Firmin. Teo amin’ny tontolon’ ny fampandihizana no tena nahafantarana an-dRaze, ary izy no anisan’ireo mpitendry naharitra indrindra tao amin’ ny Nambints’Orchestra.
“Iray volan’ny sary hosodoko”. Nitohy teny amin’ ny Rovan’Antananarivo ny sabotsy teo ny “live painting”, na ny fanaovana hosodoko mivantana sy eo noho eo. Handray izany indray ny etsy Analakely ny sabotsy 20 jolay izao. Hitohy amin’ny fampirantiana sy fivarotana ny sanganasan’ireo mpanakanto izay nandray anjara izany.
Anisan’ny mampiavaka ny mpihiragasy ny fananana asa iombonana. Ankoatra ny hiragasy ataony isaky ny vanim-potoanan’ny maintany, saika tantsaha ny ankamaroan’ny mpihiragasy. Izany hoe, mivelona amin’ny asa fambolena sy fiompiana. Anisan’ny antony iray lehibe ahafahan’ny mpihiragasy manovo fahalalana eny ifotony izany, satria, izay iainany andavanandro no harafiny ho tononkira.
Sahala amin’ny mahazatran’ireo mpankafy hatsikana. Hisy ny hetsika “Sokaf’hehy”, atao eny amin’ny CGM Analakely, anio tolakandro. Fampisehoana hatsikana, “Stand Up”, misokatra ho an’ny rehetra. Tanjona ny hampivelarana ny “Stand Up” eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fitrandrahana ireo talenta miafina any rehetra any.