Toamasina: ho vita tanteraka ny arabe Ratsimilaho

Mitohy ny fanohizana ny fanarenana ny arabe Boulevard Ratsimilaho any Toamasina. Ho vita tanteraka anio 17 jolay, ny fan­­drakofana godirao ny ampahany faharoa ny asa, mirefy 1,6 km.
Miainga eo amin’ny Miou Miou Salazamay hatreo amin’ny Lisea Rabemananjara. Hatao aorian’izany ny fandokoana ny marika famantarana amin’ny arabe rehetra. Eo am-panomanana koa ny fametrahana ny jirobe manazava ny lalana. Efa vita tanteraka kosa ny sisin-dalana sy ny tatatra mifanaraka amin’izany.
Mitotaly 3,4 km ity lalana narenina ity, ka efa notokanan’ ny filoha Rajoelina, ny 15 jona ny ampahany voalohany, mi­refy 1,8 km, mampifandray ny Hopitalibe sy ny Lisea Rabe­ma­nan­jara. Marihina fa famatsiam-bola madiodio avy amin’ny fanjakana ny nanaovana azy ary manatanteraka azy ny orinasa SMATP.
Tsiahivina, nosimbain’ny rivodoza Honorinina tamin’ny taona 1986 ity lalana ity, ka izao vao tafaverina amin’ny lao­niny, 38 taona aty aoriana.

Njaka A.

Partager sur: